1 Corinthians 9

1Tsy olona afaka ve aho? Tsy apostoly ve aho? Tsy nahita an’i Jesosy Tompontsika ve aho? Tsy asako ao amin’ny Tompo ve ianareo? 2Raha tsy apostoly ho an’ny hafa aho, dia farafaharatsiny Apostoly ho anareo. Fa ianareo no porofo amin’ny maha-apostoly ahy ao amin’ny Tompo.

3Izao no fiarovako amin’ireo izay manadihady ahy: 4Moa ve izahay tsy mahazo alalana ny hihinana sy hisotro? 5Moa ve izahay tsy mahazo mitondra vady izay mpino, tahaka ny ataon’ireo apostoly sasany, sy ireo rahalahin’ny Tompo, ary Kefasy? 6Sa Barnabasy sy izaho irery no tsy maintsy miasa?

7Iza no manao fanompoana miaramila amin’ny fandaniany manokana? Iza no mamboly voaloboka ary tsy mihinana ny voany? Na iza no miandry ondry ka tsy misotro ny ronono avy amin’izany? 8Moa ve izaho milaza ireo zavatra ireo mifototra amin’ny fahefan’ny olombelona? Tsy milaza izany koa ve ny lalàna?

9Fa izany dia efa voasoratra ao amin’ny lalàn’i Mosesy hoe: “Aza asiana fehi-vava ny omby rehefa miely voa izy.” Tena ilay omby tokoa ve no hiahian’Andriamanitra? 10Tsy miresaka momba anay ve izy? Efa nosoratana ho antsika, fa izay miasa tany dia tokony hiasa amin’ny fanantenana, ary izay mively dia tokony hively amin’ny fanantenana ny hahazo anjara amin’ny vokatra. 11Raha namafy zavatra ara-panahy teo aminareo izahay, moa be loatra aminay ve ny mijinja zavatra ara-materialy avy aminareo?

12Raha mampihatra izany zo izany avy aminareo ireo hafa, moa ve izahay tsy manana mihoatra? Na dia izany aza, tsy nitaky izany zo izany izahay. Fa kosa, naleonay niaritra ny zavatra rehetra toy izay ho sakana ho an’ny filazantsaran’i Kristy. 13Moa ve tsy fantatrareo fa ireo izay manompo ao amin’ny tempoly dia mahazo ny sakafon’izy ireo avy ao amin’ny tempoly? Ary moa ve tsy fantatrareo fa ireo izay manompo eny amin’ny alitara dia mahazo anjara amin’izay natao fanatitra teo amin’ny Alitra? 14Toy izany koa, ny Tompo dia nandidy fa ireo izay mitory ny filazantsara dia tokony hahazo ny fiveloman’izy ireo avy amin’ny filazantsara.

15Nefa tsy nitaky ny iray tamin’ireo zo ireo aho. Ary tsy manoratra an’izao aho mba mba mety hisy zavatra hatao ho ahy. Aleoko maty toy izay hisy olona hanaisotra amiko izany rehareha izany. 16Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy antony tokony ireharehako, satria tsy maintsy manao izany aho. Ary loza ho ahy raha tsy mitory ny filazantsara aho!

17Fa raha manao izany an-tsitrapo aho, dia manana valisoa. Fa raha tsy an-tsitrapo kosa, dia mbola manana ny andraikitra izay nankinina tamiko aho. 18Inona ary izany no valisoako? Izany dia rehefa mitory aho, dia afaka manolotra ny filazantsara tsy misy fandoavam-bola ka mba tsy hampiasa tanteraka ny zoko amin’ny filazantsara.

19Fa na dia afaka amin’ny rehetra aza aho, dia tonga ho mpanompo ho an’ny rehetra, mba hahazoako bebe kokoa. 20Teo amin’ny Jiosy dia lasa toy ny Jiosy aho, mba hahazoako ny Jiosy. Teo amin’ireo izay ambanin’ny lalàna, dia lasa toy ny olona izay ambanin’ny lalàna aho mba hahazoako ireo izay ambanin’ny lalàna. Nanao izany aho na dia tsy teo ambanin’ny lalàna aza ny tenako. [Fanamarihana: Ny baiboly ULB sy ny UDB dia mivaky hoe: “Nanao izany aho na dia tsy teo ambanin’ny lalàna aza ny tenako.” Ny dikan-teny taloha sasany dia tsy manisy izany.]

21Tamin’ireo izay ivelan’ny lalàna, dia lasa toy ny olona ivelan’ny lalàna aho, na dia tsy ivelan’ny lalàn’Andriamanitra aza ny tenako, fa ambanin’ny lalàn’i Kristy. Nanao izany aho mba hahazoako ireo izay ambanin’ny lalàna. 22Teo amin’ireo malemy dia lasa malemy aho, mba hahazoako ireo malemy. Tonga zavatra rehetra ho an’ny olona rehetra aho, mba hamonjeko ny sasany amin’ny fomba rehetra. 23Manao ny zavatra rehetra aho ho an’ny filazantsara, mba hafahako mandray anjara amin’ireo fitahian’izany.

24Moa ve tsy fantatrareo fa amin’ny fihazakazahana iray ny mpihazakazaka rehetra dia manao ny fihazakazahana, nefa iray ihany no mahazo ny loka? Koa mihazakazaha mba hahazo ny loka. 25Ny atileta iray dia mampihatra ny fifehezan-tena amin’ny fanazaran-tenany rehetra. Manao izany izy ireo mba handray satro-boninahita izay mety simba, kanefa kosa isika mihazakazaka mba hahazoantsika satro-boninahitra tsy mety simba. 26Ka noho izany dia tsy mihazakazaka amin’ny tsy misy antony aho na mamely totohondry amin’ny rivotra. Fa feheziko ny tenako ary ataoko andevo, mba tsy ho lavina ny tenako, rehefa avy nitory tamin’ny hafa aho.

27

Copyright information for PltULB